chat

Inona no atao hoe Kor any Masina

Inona no atao hoe Kor any Masina

Inona no atao hoe Kor any Masina

zaraina:

Ny Kor'any Masina dia tenin'I Allah Tompon' izao tontolo izao sy Mpahary azy ireo. Nampidininy tamin' Ilay Iraka farany Mohammad (S.A.W) mba hamelabelatra ho an'ny olombelona ny tanjona lehibe nanamboarana azy ireo, sy mba hitarihana azy ireo amin’izay mahasambatra azy eto an-tany sy ny any an-koatra, ary hanafaka azy ireo amin’ny fahoriana mandrakizay aorian’ny fahafatesana.


 Ary io no boky farany amin’ireo bokin’Allah izay nampidinina teto an-tany, izay manamafy izany ary manafoana ireo lalàna rehetra teo aloha. Ny Kor'any dia famantarana sy fahagagana mandrakizay, ary izy dia porofon’ny faminanian’ny Irak’Allah, Mohammad (S.A.W). Allah dia nanao fanamby amin'ny olombelona sy ny jiny mba hanao zavatra mitovy aminy, eny na dia toko (Sourat) iray monja aza, saingy tsy vitan'izy ireo izany. 

Tsy niharan'ny fanovàna sy n'y famadiana hatrany am-piandoahana nanomboka tamin'ny nampidinana azy efa ho 1400 taona lasa izay, ary ho voatahiry hatrany amin'ny teny Arabo tahaky ny nampidinana azy, satria I Allah Ilay Avo Tsitoha dia niantoka ny fiarovana azy hatramin'ny farany. Ny Kor'any Masina no loharanon'ny finoana silamo voalohany, ary ny lalàm-panorenana mandamina ny fiainan'ny olombelona sy mifehy azy amin'ny fotoana sy toerana rehetra. Miantso ho amin'ny fanompoam-pivavahana ho an' Allah irery ihany, Ilay Mpahary. Ary manazava izay ilain'ny olombelona momba ny fahahalalana ny Tompony sy ny finoany, sy fiatombohan'ny nahariany izao tontolo izao ary ny dingana nahariana ny zanak'olombelona. Ary manambara ny zava-miafin'ny lasa sy ny ho avy, sy ny tantaran’ireo Mpaminany mpialoha làlana -ny fiadanana ho amin’izy ireo- ary nanambara ny fomba nanohanan' Allah azy ireo sy ny namotehany ireo fahavalony. 


Ao aminy no ahitana ny foto-kevitry ny fanompoam-pivavahana sy ny fifampiraharahana ary ny fiantsoana amin'ny fitondran-tena mendrika, sy ny fampitandremana amin’ny fitondran-tena ratsy, ary ny fiafarana any ankoatra; Na ny Paradisa fonenan’ireo mpino izany, na ny Afobe fonenan’ireo mpanao ny tsy rariny sy ireo mpikomy. Ary noho ny maha-zava-dehibe io boky lehibe io izay nampidinin’ Allah tamin’ny teny Arabo, ka nasainy nampitaina tamin’ny olombelona; Dia mahafaly anay ry mpamaky hajaina, ny manome anao ny dikan'izany amin'ny fiteninao, mba hanamora ny fahatakarana Azy sy hahatanteraka ny fampielezana Azy.


 Efa nanao ezaka rehetra ny ekipa mpiara-miasa mba hahatakarana ny heviny sy dikany, ary azo antoka fa na dia marina toy inona aza ny fandikan-teny, dia mbola tsy hahavita handika ny hevi-dehibe asehon'ny soratra masina ao amin'ny Kor'any izany, izay mihoatra ny asan'ny olombelona rehetra; Ary izay tia hahafantatra bebe kokoa ny tena marina nentin'ny Korany Masina; dia manoro hevitra azy izahay mba hianatra ny teny Arabo, teny izay nampidinana Azy. Fiadanana anie ho an'ireo Iraka rehetra, ary fisaoarana lehibe ho an'I Allah Ilay Tompon'izao tontolo izao.