chat
ka ny Fetran'ny Tarehy dia

ka ny Fetran'ny Tarehy dia

Gis:

Ary ny " Bayad " dia manomboka: eo anelanelan'ny " Anzhar " sy ny sofina. Ary ny " Anzhar " kosa dia: ny volo izay eo amin'ny taolana mipoitra, mifanitsy amin'ny lavaky ny sofina farany mankany amin'ny ati-doha, ary midina avy eo amin'ny takelaky ny sofina ary ny " Bayad " dia ny eo anelanelan'ny Anzar sy ny sofina. Ary tahakan'izany koa ny fanasana ireo volo be izay eo amin'ny somotra sy ny volokely izay miseho ireny.

Ny Dingana faha-enina " 6 " dia: Ny Fanasana ny tànana roa miatomboka amin'ny tendron'ny ratsan-tànana roa ka hatramin'ny kioho roa.

Ary ny Fanasana kiho roa dia voadidy ihany koa fa tsy maintsy ary Obligatoara ny Fanasana azy.

Ny Dingana faha-fito " 7 " dia: Ny Fisafona ny loha miaraka sofina roa amin'ny alàlan'ny tànana roa ka atao indray mandeha ihany izany.

Miatomboka amin'ny voalohan'ny loha ka hatramin'ny hatoka afara ary averina any aloha indray mandeha ihany koa.

Ary ampidirina ao anaty sofina roa ny fanondro roa.

Ary ny anki-be roa atao ivelan'ny sofina roa, ka

safoina tsara amin'izany ny ivelany sofina sy ny ao anatiny.

Ny Dingana faha-valo " 8 " dia: Ny Fanasana

tongotra roa miatomboka eo amin'ny tendron'ny ratsan-tongotra roa ka hatramin'ny kitro tongotra roa,

ary izany dia tafiditra amin'ny lalàn'ny fanaovana ny " Wozou ".

Ny kitro roa dia taolana roa izay mivoaka be ety ambanin'ny ranjo.

Ireo Zavatra Manimba ny " Wozou ":

1- Ireo zavatra mivoaka eo amin'ny lalana roa toy ny

pipy sy tay ary hetotra sy ny tsiron'aina, ary ny rano

izay mivoaka alohany izany tsiron'aina

2- Fahaverezan-tsaina na amin'ny alàlan'ny torimaso lalina, na koa torana, na koa mamo, na koa adala.

3- Ireo rehetra izay nametrahana didy fa tsy maintsy mitaky ny fisehana dia manimba toy ny fivoahan'ny Tsiron'aina na ny fadim-bolana, ary ny Lio aorian'ny fiterahana

Rehefa manatanteraka ny fivoahana ny Olona iray ka namoaka ny Lotony dia voadidy io Olona io fa tsy maintsy hanala an'izany Loto izany na amin'ny alàlan'ny Rano madio izay tena tsara amin'ny fomba fahadiovana, na koa ankoatry ny Rano na amin'ireo zavatra mety ahafahana manala an'izany Loto izany toy ny vato sy ravin-kazo na ravi-damba na zavatra hafa ankoatran'izany, ary ny fomba mety amin'ny fanatan-terahana an'izany dia ny famafana ny Loto misy in-telo miantoana na mihoatra an'izany fa ny tena tanjona dia ny ahatonga ny Olona ao anatiny fahadiovana, ka ny fanadiovana dia mety mampiasa ireo zavatra madio hafaka ampiasana amin'ny fahadiovana.

Ny Fisafoana ny Bakiraro sy ny Kiraro hoditra rehefa mitafy ny Bakiraro sy Kiraro hoditra dia afaka atao ny misafo eo ambonin'izy roa ireo ka tsy mitaky ny fanasana tongotra roa akoatr’izany, fa misy ireo fe

petra tsy maintsy hajaina sy arahina ka dia ireto avy izany:

1- Ny Fisikinana azy roa aorian'ny fidiovana amin'ny Loto kely sy lehibe sy fanasana ny tongotra.

2- ary tokony madio izy roa fa tsy maloto tsy mila misy nadjisy

3- ary ny fisafoana azy dia mbola mila ao anaty fepotoana izay azo hisafoana azy.

4- takiana ny tokony halaly fa tsy akory halatra na koa noravana ilay izy.

Ny " Khoffany " dia Kiraro hoditra manify izay tafiana sy ireo Kiraro izay mahavita mandrakotra ny Tongotra roa.

Ny " Djaorabany " dia Ravin-damba na Ba-kiraro tafiana na koa ankoatr'izany.

Anisany lesona sy antony manokana maha mety ny Fisafoana amin'ny Kiraro hoditra dia izao:

Ny antony maha mety ny Fisafoana amin'ny Kiraro hoditra dia ny mba hanamaivana sy hanamora ny vahoaka Mpino Islam amin'ny raharaha ara-pinoana, ho an'izay mavesatra amin'izy ireo ny fanalana ny Kiraro na koa ny fanalana ny Ba-kiraro ka hanasa ny Tongotra, indrindra rehefa amin'ny fotoanan'ny ririnina

sy nintsy mafy, sy rehefa manatan-teraka ny fivoahana any ivelan'ny tanàna.

Fe-potoana anaovana ny Fisafoana dia ireto avy:

Ny eto an-toerana dia: atao andro aman'alina (24 ora).

fa ny tsy eto an-toerana kosa dia: telo andro aman'alina (72 ora).

ary atomboka ny fe-potoany rehefa nisafo voalohany ny Kiraro hoditra na koa ny Ba-kiraro aorian'ny Loto izay nitranga .

fomba fanatanterahana ny Fisafoana ny Kiraro hoditra sy ny Ba-kiraro dia izao:

  1. Lemana ny tànana roa.

  2. - Ampandalovina ny tànana eo ambonin'ny tongotra roa (miatomboka eo amin'ny tendron'ny ratsantongotra ka hatramin'ny tongotra).

  3. - Safoina ny tongotra an-kavanana amin'ny tànana an-kavanana ary ny tongotra an-kavia amin'ny tànana an-kavia.

Ireo zavatra manimba ny Fisafoana dia:

1- ireo zavatra rehetra hita fa mitaky ny fisehana " Fandroana ".

2- ny fahataperan'ny fotoana ny Fisafoana.

Fisehana " Fandrona "

Raha toa ka ny lahy sy ny vavy nanatan-teraka ny firaisana ara-nofo, na koa nisy fivoahan'ny tsiron'aina avy amin'izy roa na avy nifoha amin'ny toromaso tsotra izany dia tsy maintsy man-dro sy miseky izy ireo mba ahafahan'izy roa manatan-teraka ny fanompoam-pivavahana Soalat sy ireo zavatra izay mitaky ny fahadiovana, ary tahakan'izany koa ny vehivavy rehefa tapitra ny fadim-bolanany sy ny Lio aorian'ny fiterahana dia voadidy Aminy ny man-dro alohany ahafahany manatan-teraka ny fanompoampivavahana Soalat sy ireo zavatra mitaky an'izany fahadiovana izany.

Ny fomba fanatanterana ny fisekena sy fandrona dia tahak'izao:

Lemasan'ny Mpino iray ny vatany manotolo amin'ny Rano amin'izay fomba rehetra hanaovany azy, fa mila voarakotra Rano avokoa ny vatana ka anisan'izany ny fanotsanam-bava sy ny fandemana ny orona, rehefa lena tanteraka ny vatany dia efa miala aminy ny Loto lehibe ary vita ny fahadioavany.

Tsy azo ataon'ny Olona misy " Djanaba " izany hoe Olona nivoahan'ny tsiron'aina ireto zavatra ireto afatsy hoe avy nisaika sy nandro:

01- Ny Soalat na koa ny fanompom-pivavahana

02- Ny Fanaovana " Toawafo " iizany hoe fiodikodinana eo amin'ny lapa masina ny " Kaabat "

03- Ny Fijanonana ao amin'ny Moskiriny dia tsy azo ataony, fa ny mandalo fotsiny kosa nohony atony manokana dia azony atao

04- Ny Fitsapana na ny fitazomana ny Boky masina Koroany dia tsy azo ataony

05- Ny Famakiana ny Boky masina Koroany tsy mitazona azy dia mety

" TAYAMMOUMO " ny Fidiovana amin'ny Tany na amin'ireo zavatra rehetra avy amin'ny Tany

Raha toa ka sendra tsy nahita Rano ny Mpino iray mba anadiovany ny tenany na koa tsy afaka mampiasa ny Rano nohon'ny aretina na mety ankoatran'izany ka mety atahorany ny tsy ahatratra ny fotoam-pivavahana dia mety manatanteraka ny " Tayammoumo " amin'ny alalan'ny fotaka.

Fomba fanaovana azy dia kampohina na pehana indray mandeha amin'ny tany ny tànana roa avy eo safoina amin'ny tarehy sy ny fela-tànana roa ihany koa , ka voadidy ny Tany na Fotaka no hanaovana azy fa mila madio.

Manimba ny " Tayammoumo " ireto zavatra manaraka ireto:

1-Manimba ny " Tayammoumo " dia ireo zavatra rehetra mety manimba ny Wozou.

2- Rehefa mahita Rano alohan'ny hanomboka ny fanompoana izay nahavitana ny " Tayammoumo " dia simba tsy manan-kery intsony izy ka Nodidin'i Tompo Allah ary nobaikony amin'ireo Mpino mpanaraka ny finoana Islam ny manatanteraka ny fanompom-pivavahana Soalat in-dimy isan'andro aman'alina, ary izany dia ny Soalat Fadjry, A-Zohry, A-nsry, M-aghriby, I-nsha

Hanomana hanao ny Soalat Aho.

Rehefa miditra ny fe-potoam-pivavahana dia midio manao fidiovana ny Mpino iray amin'ny fidiovana kely sy fidiovana lehibe raha toa ka maloto amin'ny Loto lehibe izy.

Ny Loto lehibe dia: izay zavatra mitaky amin'ny Mpino iray ny fanatanterahana ny fisehana " Fandrona "

Ny Loto kely dia: izay zavatra mitaky ho an'ny Mpino iray ny fanatanterahana ny Wozou

Manatanteraka Soalat ny Mpino iray amin'ny lamba madio, amin'ny toerana madio, fa tsy amin'ireo toerana na zavatra misy Nadjisy na koa maloto no sady tsy maintsy manafina ny henany " henatra "

Mahazo mihaingo ny Mpino iray amin'ny lamba mendrika amin'ny fotoan'ny Soalat ary takomany amin'izany ny vatany, ary tsy azo ataon'ny lehilahy ny mamoaka ny manelanelan'ny foetrany sy ny lohaliny rehefa manatan-teraka ny Soalat.

Tsy maintsy ataon'ny vehivavy ny manafina ny vatany rehetra rehefa manatan-teraka ny Soalat afatsy ny tarehy sy ny fela-tànana roa ihany no mahazo mivoaka.

Tsy azo atao ny miteny anaty fanompoampivavahana Soalat ankoatran'ireo teny izay efa voatokana ny amin'izany, fa ny tsirairay dia mangina avokoa fa mihaino ny mpitarika " Imamo ", ary tsy mitoditodiika rehefa ao anatiny fanaovana Soalat, fa raha sendra tsy mahavita mitandrina na tsy mahafantatra ireo teny tokony ho lazaiina amin'ny Soalat dia manatan-teraka ireo " Zikr " sy " Tasbih " mandra-pahataperan'ny Soalat, ary tsy maintsy ataony tsirairay ny mianatra haingana ny fomba fanaovana ny Soalat sy ireo teny rehetra ao anatiny.

Hianatra fanompom-pivavahana izay atao hoe: Soalat Izaho

Dingana 1: Ny Fikasana sy ny finiavana ao am-po ho an'ny Soalat izay voadidy fa tsy maintsy ho tanterahina, ary ny toerana hametrahana an'izany fikasana izany dia ao Am-po.

Rehefa avy manao sy manatan-teraka ny fidiovana Wozou Aho dia avy hatrany mitodika any amin'ny lapa masina ny " Kiblat ",no mitsangana manatanteraka ny Soalat.

Dingana 2: Ampiakariko ny tanako roa ka ataoko mifanitsy mahitsy tsarra amin'ny soriko ary miteny Aho hoe: " Allah Akbaro " mikasa hiditra anaty Soalat.

Ka avy eo dia vakiko aorian'ny Sourate al fatihat izay Sourate maivana Amiko ao anaty Boky masina Koroany ao anatin'ny rakant voalohany sy faha-roa ihany amin'ireo Soalat rehetra, ary izany dia tsy voatery fa ny fanatanterahana azy dia azahoana valisoa lehibe.

Dingana 6: Miteny: (Allah Akbaro) avy eo manao fiondrehana " Rokon " ka ny lambosina atao mahitsy tsara amin'ny hatoko ka misaraka ireo ratsa-tanako, avy eo miteny hoe: (Soubhàna Roabby-al Anzhim) Aho amin'ny " Rokon ".

Dingana 7: Miakatra avy ao amin'ny " Rokon " Aho ka miteny hoe: (Samialloahou - Liman Hamidah) sy mampiakatra ny tanako mifanitsy tsara amin'ny soriko, rehefa mahitsy tsara ny vatako eo ampitsanganana dia miteny Aho hoe:

(Roabbana Walakal Hamdo).

Dingana 8: Miteny (Allah Akbaro) ary miankohoka amin'ny fela-tànana roa, lohalika roa, ny tongotra roa, ny handrina sy ny orona, ary milaza sy miteny hoe: (Soubhana Roabbyal Anlà) amin'ny fiankohofana.