Ny Boky masina Koroany dia Tenin'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha izay nampidinina tamin'ny Mpaminaniny
Mohammadi (s.w.a) mba hanala ny Zanak'olombelona amin'ny haizina ny fahaverezana ka mba hitarika azy ireo ho any amin'ny lalan'ny fahitsiana feno fahazavana no sady hitari-dàlana azy ireo amin'ny làlana mahitsy. Izay mankato ka mamaky Azy dia hahazo valisoa lehibe, ary ireo izay miasa ka manaraka sy manatanteraka ireo fanambarana izay mirakitra fahitsiana ao Anatiny manoloana ny fanarahana ny làla-mahitsy sy fijoroana tsara ampahitsiana.
Izaho dia hampafantatra ireo Andry hijoroany finoana Islam Niteny i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe: Miorina amin'ny Fototra dimy ny finoana Islam dia: ny Fijoroana vavolombelona fa tsy misy Tompo
mendrika ho tompoina marina afa-tsy i Tompo Allah ary i Mohammadi (s.w.a) dia Irakan'i Tompo Allah, ny Fananganana ny Soalat, ny Famoahana ny Zakat, ny Fifehezana amin'ny volana Ramadany sy ny Fanaovana ny Hadjy amin'ilay trano masina any Lameky Ny andriny voalohany dia: Fijorona vavolombelona fa
tsy misy Tompo mendrika tompoina afa-tsy i Tompo Allah ary tena marina fa i Mohammadi (s.w.a) dia Mpaminany sy Irakan'i Tompo Allah.
Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe:
{Fantaro fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina marina afa-tsy i Tompo Allah}
[ Sourat Mohammad: 19 ]
Ny dikan'ny Fijorona vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy i Tompo Allah dia ny hoe: tsy misy Tompo mendrika azo tompoina marina ampahamarinana afatsy i Tompo Allah.
Ny Fananganana ny Soalat dia ny fanatanterahana izany amin'izay fomba rehetra nametrahan'i Tompo Allah izany sy amin'izay nampianarin'i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) Atsika.