chat

Ny Andriny faha-telo dia Famoahana ny " Zakat " ampahan'ny harena

Ny Andriny faha-telo dia Famoahana ny " Zakat " ampahan'ny harena

Ny Andriny faha-telo dia Famoahana ny " Zakat " ampahan'ny harena

zaraina:

Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe:

{ary mamoaha ny " Zakat ampahan'ny harena}

[ Sourat al bakarat: 110 ]

Ary Izy io dia Zo feno izay tsy maintsy avoaka amin'ireo harena sy fanana raha toa ka mahatratra ny fatra voafetra izay takina, ka avoaka sy omena ireo karazan'Olona valo izay efa voatondro sy voalaza ato anatin'ny Boky masina Koroany ireo vondron'Olona ireo, ka anisan'izany ireo Mahantra sy ireo Masikiny.

Ary amin'ny fanatan-terahana izany dia ho feno

hinakinaka sy feno tambitamby ny Olona iray, ary

ny tanjona amin'izany dia ny fanadiovana tanteraka ny toetran'ny Mpino Islam sy ny harenany, ary hampifalifaly ny fon'ireo Mahantra sy ireo Sahirana, ary fanatanjahana ny fifankatiavana sy ny firalahina manoloana ny fiarahamoninan'ny vahoaka Mpino Islam, ka noho ny amin'izany ny vahoaka Mpino Islam mpanao asa soa dia mamoaka izany amin'ny hatsarana ka lasa mahasambatra ny Fony ny fanatan-terahana an'izany, Satria mampiditra fahasambarana ho an'ny hafa.

Ary ny fatran'ny " Zakat " amin'ny Harena dia 2,5% (roa faingo dimy isan-jato) amin'ireo harena izay azo tehirizina toin'ny amin'ny Volamena sy Volafotsy ary ny Lelam-bola sy ny Entam-barotra izay azo avarotra sy hividianana mba ahazoana tombom-barotra; ka izany rehetra izan rehefa mahatratra ny lanjan'ny Fatra izay voafetra sy feno iray Taona dia tsy maintsy avoaka.

Ary voadidy tahaka izany ihany koa ny Famoahana ny " Zakat " amin'ireo Olona izay manana Biby Fiompy tahaka ny (Rameva, Omby, Ondry sy Osy), raha toa ka mihinana bozaka amin'ny tany mandavataona sy tsy ampisakafon'ny tompony.

Ary voadidy tahaka izany ihany koa ny famoahana ny " Zakat " amin'ireo vokatra rehetra izay azo avy ambanin'ny tany amin'ireo Voamaina, Voankazo, metaly sy harena ankibon-tany raha toa ka mahatratra ny fatra voafetra.

Ny Andriny faha-efatra dia: Fifadian-kanina amin'ny volana Ramadany.

Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe:


{Ô Ianareo vahoaka izay nino ka manampinoana ! Voadidy ho Anareo ny Fifehezana toy ny nandidiana ireo vahoaka izay teo alohanareo, angamba hanam-patahorana Ianareo.}

[ Sourat al bakarat: 183 ]

Ny Volana Ramadany dia: volana faha-sivy amin'ny taona izay voarakitra ao amin'ny kalandrie hidjiria, sy volana manan-kaja amin'ireo vahoaka Mpino Islam, ary manana toerana manokana eo anatrehan'ireo volana sasany Izy, ary ny Fifehezana feno amin'izany volana izany dia tafiditra ho anisan'ny Faha-dimy amin'ireo Andry ny finoana Islam

Fifehezana amin'ny volana Ramadany dia: Fanompoana an'i Tompo Allah amin'ny alàlan'ny fanakanan-tena amin'ny tsy fisakafoanana sy tsy fisotroana ary tsy fanaovana firaisana ara-nofo, sy ireo mety ho sakafo avokoa, ka ny fe-mpotoana dia manomboka amin'ny maraina vao mangiran-dratsy ka

hatramin'ny filentehan'ny masoandro mandritran'ny andro rehetra ao anatin'ny volana Ramadany izay feno fahasoavana.

Ny Andry faha-dimy dia: Fivahiniana masina any amin'ny tranon'i Tompo Allah.

Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe:

{Adidin’ny Olombelona rehetra amin’i Tompo Allah ny mitsidika ilay Trano Masina indrindra fa ho an'ireo Olona manan-katao amin' izany.

[ Sourat al Imran: 97 ]

Ny Hadjy dia ho an'ireo rehetra hita fa manan-katao amin'ny fanatanterahana an'izany, ka tanterahin'Olona iray indray mandeha ihany eo amin'ny fiainany izany, ka izany dia fametrahana fikasana sy finiavana fa hitodidoha ho any amin'ny Tany masina amin'ny fanatanterahana ireo fomba masina rehetra ara-mpinoana any amin'ny tanàn'ny Makka ka ny fanaovana sy fanatan-terahana an'izany karazampanompoana izany dia amin'ny fotoana voafetra ary anisany efa nanatanteraka an'i izany Hadjy izany dia i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) ary efa nisy tamin'ireo Mpaminany teo alohany ihany koa no efa nanatanteraka an'izany Hadjy izany, ary nodidiany Tompo Allah sy nobekoiny i Mpaminany Abrahama (A.s) mba hiantso ny Zanak'olombelona rehetra tsy an-kanavaka ny mba hanatan-teraka an' izany Hadjy izany, araka izay voalazan'i Tompo Allah ao anatin'ny

Boky masina Koroany manao hoe:

{Antsoy ny Olona rehetra tsy an-kanavaka mba ho amin’ny fanatanterahana ny fivahinianana masina ny (Hadjy), fa dia ho tonga eo Aminao avokoa izy ireo, ao ny ho tonga amin'ny lafiny fam-pandehanana an-tongotra ary ao ny amin’ny alalan’ny biby fitaingenana, indrindra fa ireo izay avy lavitra fa ho tonga hamaly ny antso izy rehetra.}

[ Sourat al Hadjy: 27 ]

Izaho dia ahafantatra ny andrin'ny finoana ny " Imany "

Ary ny asa rehetra izay ataon'ny ratsam-batana amin'ny endrika mibaribary: tahaka ny " Soalat ", ny " Hadjy ", ny Fifadian-kanina, ary ireo ratsam-batana miafina izay misy fifandraisana amin'ny Fo tahaka ny fitiavana an'i Tompo Allah sy fatahorana Azy, ary ny fametrahana toky sy fahatokisana Aminy sy ny fahadiovam-po amin'ireo asa rehetra ho Azy irery ihany.

Ary izany rehetra izany dia nofaritin'ireo Manampahalalana fa hoe: ny Fitokisana ao Am-po, ny Fitenenana amin'ny Lela, ary ny Asa ataon'ireo ratsam-batana, mitombo amin'alàlan'ny fanaovana ireo Asa soa, ary mihena izany amin'ny alàlan'ny fanatan-terahana ny Asa ratsy sy ny fahotana

Ny Finoana an'i Tompo Allah dia mitaky ny fanokanana Azy amin'ny maha-panabe sy mpitaiza ary mpitarimy Azy, ary tokana ihany koa Izy amin'ny lafiny maha Tompo Azy, sy amin'ireo anarany sy ny laza amambonahitrany, ary izany rehetra izany dia mitaky ireto avy:

Ny Finoana sy ny fisian'ilay be fiderana an’ilay avo Tsitoha

Ny Finoana ny Mahampahary sy mahapanabe ary mpitaiza an'ilay avo Tsitoha Azy, ary Satria Izy no tompon'ny zava-drehetra, ary Izy irery ihany no Nahary an'izany rehetra izany sy Mpanome ny anjara mas oandrin'ny zavaboary rehetra ary mpandahatra sy mpandrindra ny fiainan'izy ireny.

Ny Finoana amin'ny maha Tompo mendrika tompoina Azy, ary Izy irery ihany no mendrika tompoina, Izy no tokana, tsy manam-paharoa no sady tsy misy zavatra mikambana Aminy, amin'ireto: toy ny amin'ny " Soalat ", ny Fangatahana, fanaovana Sorona, sy ny fangatahana Fanampiana, Fiarovana, sy ireo karazana Fanompoana maro samy hafa ihany koa.

Ny Finoana sy fanekena ary fankatoavana ireo

Anaran'ny Tompo Allah

Izay tsara sy mendrika indrindra sy ireo laza amambonahitran'ilay avo Tsitoha izay namarininy ho an'ny Tenany na koa izay namarinin'i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) ho an'ny Tenany, ary ny fanesorana ireo zavatra izay noesoriny amin'ny Tenany na koa ireo izay noesorin'i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) amin'ny Tenany amin'ireo Anarana sy Laza ary vonahitra, ary tena marina fa ireo anarany sy lazany rehetra ireo dia efa mihoatra tanteraka ny anjara toerana avo eny izay tsara ary mendrika indrindra ary tena marina fa tena tsy misy ny mitovy tahaka Azy ary Izy tokoa no tena Maheno sy tena Mahita.

Ny Andriny faha-roa dia: Ny Finoanaan'ireo Anjely Ary izy ireo dia zavaboary lehibe sy goavana indrindra izay tsy voadinika ary tsy voafaritra mihitsy ny ahalehibiazany izy ireo sy ny isan'izy ireo afatsy i Tompo Allah irery ihany no mahalala sy mahafantatra ny isan'izy ireo, ary ny tsirairay amin' izy ireo dia samy manana ny laza sy vonahitra ary anarana sy asa aman-draikitra izay sahaniny avokoa izay noasain'i Tompo Allah fa tsy maintsy ataony tsirairay amin'izy ireo, ka anisan'izany i Anjely Djibrilo (A.s) izay tompon'andraikitra amin'ny fandaisana ireo hafatra sy fanambarana mirakitra ny faminaniana izay nidina avy

amin'i Tompo Allah ka mankany amin'ireo Irany sy Mpaminany maro izay nifandimby teto Antany.

Ny Andriny faha-telo: Ny Finoana ireo Boky

Ary ireo Boky avy any an-danitra izay voalazan'i Tompo Allah ao amin'ny Bokiny dia ireto avy izany:

Ny Boky Masina Koroany: izany dia fanambarana izay nampidinin'i Tompo Allah tamin'i Mpaminany Mohammadi (s.w.a).

Ny Boky Masina Zabora na koa Salamo dia Boky nampidinin'i Tompo Allah tamin'i Mpaminany Daodo " Davida " (A.s)

Ny Andrin'ny faha-efatra: Ny Finoana an'ireo Iraka sy Mpaminany dia ny fanekem-pinoana feno no sady entitra no hilazana fa tena marina fa i Tompo Allah dia efa nandefa ireo Iraka sy Mpaminany amin'ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka ny mba hiantso azy ireo amin'ny fanompoana an'i Tompo Allah tokana irery ihany tsy manam-paharoa no tsy misy mpikambana Aminy, ary ny mba tsy hankatoa ireo izay tompoina ankoatran'i Tompo Allah.

Ary izy rehetra ireo dia Olombelona sy vatan-dehilahy avokoa sy Mpanompon'i Tompo Allah, ary tena marina fa izy ireo dia marina mahafatoky, no sady Mpatahotra an'i Tompo Allah sy mendrika hitokisana, mahitsy no mpitaridalàna amin'ny fahitsiana Satria

izy ireo anaty fahitsiana, nampian'i Tompo Allah amin'ny

alalan'ny fanomezana ireo zavatra manamarina azy ireo toy

ny fahagagana mba ho lalàna iray hitokisana azy ireo, ary tena

efa nampitan'izy ireo avokoa ny marina rehetra amin’ireo hafatra sy hiraka izay

nomen'i Tompo Allah azy ireo, ary izy rehetra ireo dia

anatiny fahamarinana sy fahitsiana mazava avokoa.

Ary efa nirahina sy nifaneky ary nifanaraka fa iray ihany ny fampielezana izay nataon'izy ireo, fampielezana an'ireo zavatra mianga avy amin'ny fototry ny finoana, ary izany dia ny fanokanana an'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha ami'ny fanompoana sy ny tsy fanakambanana Azy amin'ny zavatra hafa.

Ny Andriny faha-dimy dia: Ny Finoana ny fisiany Andro farany

Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe:


{Allah ! dia tsymisy Tompo Zanahary hafa afa-tsy Izy Tompo Allah irery ihany ! ary Izy Tompo Allah no hamory sy hanangona Ianareo amin’ny Andro farany,andron'ny fitsanganana ka io Andro io dia andro tsy misy ahiahy na koa fisalasalanana dia kely aza ny amin’izany.Ary izato koa ary no masinteny kokoa mihoatran’i Tompo Allah ?}

[ Sourat an-Nisa: 87 ]

Ny Finoana feno fanekena entitra amin'ny fanatanterahana an'ireo zava-misy fifandraisana amin'ny Andro farany, amin'ireo izay rehetra nolazain'i Tompontsika Allah ilay avo Tsitoha ao anatin'ny

Bokiny manan-kajana koa izay rehetra nolazain'i Mpaminanintsika Mohammadi (s.w.a) ihany koa toy ny fahafatesan'ny Olona iray, na koa ny Fitsanganana amin'ny maty na ny Fanangonana sy Famoriana ny Olombelona amin'izany Andro izany, sy ny fanelanelanana izay misy, ary ny fandanjana ny asa rehetra izay vita, sy ny fitsarana azy, ary ny fisiany Paradisa sy ny Afo-be sy ny ankoatr'ireo izay tsy voalaza nefa misy fifandraisana amin'ny Andro farany.

Ny Andriny faha-enina dia: Ny Finoana ny lahatra sy anjara tsara na ratsy

Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe:

{Tena marina fa ny Nahary ny zava-drehetra dia Izahay hoy i Tompo Allah araka ny famerana.}

[ Sourat al bakarat: 49 ]

Ny fotompinoana feno fifanekena sy fahatokisana dia manamarina fa ny zava-drehetra mitranga amin'ireo zava-boary dia fantatran'i Tompo Allah ary efa nalahatrany no sady efa nasiany fandaminany manokana ny momban'izany rehetra izany,

tena tokana tsy manam-paha-roa tokoa ary tsy misy mpikambana Aminy ny zava-drehetra na dia iray aza, ary izany Anjara sy Lahatra izany dia efa voasoratra alohan'ny nanamboaran'ny

Tompo Allah ny Zanak'Olombelona, ary ny marina amin'ny Zanak'Olombelona dia fananan'izy ireo finiavana sy fikasana

ary safidy, ary marina tokoa fa izy ireo no mpanatan-teraka ny

asa sy fihetsika rehetra marina sy maripototra; ka nefa tena marina

fa tsy ho tafavoaka izany rehetra izany raha tsy avy amin'ny

fahalalan'i Tompo Allah sy ny safidy sy fanekena avy Aminy

Fa ny Finoana ny Lahatra sy Anjara dia mihainga avy amin'ny zavatra Efatra: Ny faha-roa dia:

Ny Finoana sy fanekena fa efa voasoratra sy efa voarakitran'i Tompo Allah avokoa ny hatrizay sy ny mandrakizay mandra-pahatongavan'ny Andro farany.

Ny faha-telo dia: Ny Finoana an'ireo izay tiany Tompo Allah sy ireo izay sitrany ka dia tsy maintsy tanteraka avokoa izany rehetra izany amin'ny heriny feno sy fahefany ka izay tiany rehetra no mandalo sy

tanteraka avokoa fa izay tsy ilany ary tsy tiany kosa dia tsy tanteraka Ny faha-efatra dia: Ny Finoana marina fa i Tompo Allah dia Tompo Nahary sy Nanamboatra an'izao rehetra izao, fa tsy misy mpikambana Aminy tamin'ny Nahariany ny Zavaboariny rehetra

Hianatra fidiovana " Wozou " Aho

Ary Niteny i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe: (Izay nanatan-teraka ny fidiovana " Wozou " ka nohatsarainy tokoa izany " Wozou " izany dia mivoaka amin'ny vatany avokoa ireo fahotany rehetra).

Ka ny Mpanompo iray rehefa manantona ny Tompony amin'ny fidiovana izay azo tsapain-tànana ka tsy inona akory izany fa ny fanaovana ny " Wozou ", ary ny tsy azo tsapain-tànana kosa dia ny fanatanterahana ny fanompoana, ka tanteraina izany amin'ny fahadiovam-po ho an'i Tompo Allah, no sady atao manaraka ny sori-dàlan'i Mpaminany (s.w.a).

Ireo zavatra mitaky ny fidiovana na ny fanaovana ny " Wozou " dia ireto:

1- Ny Fanompom-pivavahana " Soalat " rehetra voadidy na koa ireo izay tsy voadidy.

2- Ny fanaovana " Toawafo " izany hoe: Fihodikodinana eo amin'ny lapa masina ny " Kaabat ".

Izaho dia hanao sy hanatan-teraka ny " Wozou " sy hisaika amin'ny Rano madio.

Ny Rano madio dia: ireo Rano izay nidina avy any an-danitra na koa izay niboiboika avy anaty tany, ka nijanona amin'ny endriny fa tsy nioava ny iray amin'ireo endrika telo izay milaza ny toetra maha rano madio azy toin'ny lokony, sy ny tsirony ary ny fofony, izay mety manala ny fahadiovan'izany Rano izany.

Ny Dingana voalohany " 1 " dia: Ny Fikasana ao am-po, ary ny dikan'izany dia ny hoe: Fanapaha-kevitra miaraka amin'ny fanetren-tena fa hanao sy hanatanteraka ny fanompoana mba fomba iray hanakaikezana an'i Tompo Allah.

Ny Dingana faha-roa " 2 " dia: Ny Fanasana ny felatànana roa.

Ny Dingana faha-telo " 3 " dia: Ny Fanotsanam-bava amin'ny alalan'ny Rano.

Ny fanotsanam-bava dia: fampidirana ny Rano ao am-bava sy ny fanodikodinana izany ao am-bava, avy eo avoaka arina aty ivelany.

Ny Dingana faha-efatra " 4 " dia: Ny Fanadiovana ny orona

Ny fanadiovana ny orona dia: fisintonana ny Rano ao anaty orona amin'ny alàlan'ny fakana aina ka hatramin'ny faran'ny orona.

Avy eo famoahana izany Rano izany amin'ny alàlan'ny fanisinan-delo avy amin'ny orona na koa ankoatr'izany amin'ny fihainàna.

ka ny Fetran'ny Tarehy dia:

Ary ny " Bayad " dia manomboka: eo anelanelan'ny " Anzhar " sy ny sofina. Ary ny " Anzhar " kosa dia: ny volo izay eo amin'ny taolana mipoitra, mifanitsy amin'ny lavaky ny sofina farany mankany amin'ny ati-doha, ary midina avy eo amin'ny takelaky ny sofina ary ny " Bayad " dia ny eo anelanelan'ny Anzar sy ny sofina. Ary tahakan'izany koa ny fanasana ireo volo be izay eo amin'ny somotra sy ny volokely izay miseho ireny.